Vao niandoha izaho sy ianao nifankatia tokoa
Izao ilay iray lasa roa fa efa miova fo
Ireo sangisangy, ireo hanihany, ireo teny mamy
Dia nanjary niova ho tomany
Averiko ilay nindramiko
Tsy ho neniko
Angamba tsy ho tsiniko
Izay niainantsika roa aza avela hifoha
Ny hirako no hiraiko hanadinoiko
Lay natao tsy hifarana hasambarana
Iza moa no nanampo
Izay niainantsika roa aza avela hifoha
Ny hirako no hiraiko hanadinoiko
Lay natao tsy hifarana hasambarana
Iza moa no nanampo
Ho tantara taloha
Sarotra ny hanadino nefa mora ny mino
Efa nisava ny alahelo nandalo dia efa rava
Fitia tsy hiserana ho feno fandeferana
No hisolo ny toeranao
Hiara-hanorim-piainam-baovao
Averiko ilay nindramiko tsy ho neniko
Angamba tsy ho tsiniko
Ka ho tena namana, ho tolorin-tanana
No antenaiko
Hizarako hafaliana sy ho tena tiana
Tsy hahasaraka ahy
Fitia tsisy ahiahy, ho tia ahy


