Appréciez et ... lâchez vos comms of course!!! En attendant, cette bonne vibe fait un malheur sur les ondes malagasy en étant classée dans les premières places.
Lasa ianao, lasa lavitra any
Nandao ny tany
Ilay feno tomany
Izy irery no tavela
Tsy afaka nitafa ela
Tsy afa-nanoatra fa tsy maintsy nifandao
Lasa ianao nanalavi-tiana
Dia ilay fiainan-tsy hita
Tsisy fahoriana
Izy teo nangahiahy, lahatra tsy afa-nanoa
Raha ny tiany, fifaliany notazominy eo anilany eo
Tsy maintsy nohekeny
Tsy fidiny
Lasa ianao, tsy nifidy ny handao
Fa voaantso amin'ilay fiainam-baovao
Lasa ianao tsy afa-nampilaza
Izy tavela nitomany toa zaza
Lasa ianao tsy nifidy ny handao
Fa voaantso amin'ilay fiainam-baovao
Fa lasa ianao, izy nisaona
Manantena anefa
Indray andro ianareo mbola hihaona
Ny ranomasony tsy voatana
Ny momba anao tsy hainy ho fafana
Ny sainy tsy tony satria ianao tsy eto intsony
Efa nialoha lalana
Fotoana fohy no niarahana
Tampoka loatra ny fisarahana
Izy mino mitanisa fa hoe
Misy ilay paradisa
Raha ny tiany, fifaliany notazominy eo anilany eo
Tsy maintsy nohekeny
Tsy fidiny



